Efa impiry impiry moa nampitandrina teto. Taorian’ny 10 aogositra 1991 aho dia efa nanoratra hoe «Ni Iavoloha, ni 13 mai» (Madagascar Tribune, 12 août 1991). Tsy haiko intsony na impiry na impiry mba «nampitandrina» an-dRatsiraka tamin’ny 2002. Tsy tadidiko ihany koa na impiry na impiry mba «niteny» tamin-dRavalomanana tamin’ireny 2009 ireny. Mbola vao tsy ela akory, vao tamin’ny volana aprily teo, no «nanoratra» ho an-dRajaonarimampianina «taratasy an-gazety». Fa tsy misy mihaino e.
Io «Sady tsy Iavoloha no tsy 13 mai» io no lasa tsy an-tany tsy am-parafaranay mitoroka ny jamba-moana-marenina eny Iavoloha, anefa tsy mankatoa ny korontana tsy maintsy ateraky ny fidinana an-dalambe.
Raha izaho no eny Iavoloha, dia fantenako manokana mihitsy aloha ny olona hanodidina ahy. Tsy olona hanararaotra ny maha «conseiller spécial» azy etsy sy eroa hangalarana sy hanamparam-pahefana fotsiny. Na hanala-baraka hiteny ratsy manompa ny Bianco. Na hanaratsy endrika ny Fanjakana na dia ny laza ratsiny fotsiny aza.
Raha izaho no eny Iavoloha, tena olona hanolo-tsaina no karohiko hanodidina ahy. Ny hevitra tsy azo raha tsy amin’olombelona. Saingy tsy olombelona kitoatoa. Fahaizana manokana, fahendrena, traikefa, fananana hazon-damosina, fa indrindra fitiavan-tanindrazana sy fitsinjovana ny mpiara-belona : ireo no tokony ho tafavondrona ao amin’ny «Collège des Conseillers».
Raha izaho no eny Iavoloha, tsotra ny tanjona : firenena milamina, vahoaka salama, mponina ampy sakafo, fampianarana tsara rafitra, mpitsara tsy miangatra, mpitandro filaminana tsy mivadika ho mpandroba, fananam-pirenena voatandrina, volam-panjakana tsy misy mipika, fifidianana marina.
Raha ireo fotsiny, hamaritra fiaraha-monina mirindra, no hitan’ny olona ho «zava-bita», tsy misy tokony hatahorana ny vahoaka. Tsy hiafina na handositra ny olona ny Filoha ; tsy hahazo olona ny mpanohitra ; tsy ho ataon’ny Facebook fosafosa na fihomehezana izay ataoko rehetra.
Raha izaho indray no mpanohitra, tsy ny rotaka sy fanonganam-panjakana no imatimatesako. Tsy hanakarama «zanadambo» hanani-bohitra aho, tsy hamatsy vola ny miaramila hanongam-panjakana aho, tsy hitehaka vatantay manivaiva jeneraly aho, tsy hitarika vahoaka handoro Radiom-pirenena sy tranon’olona aho, tsy ho faly amin’ny korontana sy ny fandrobana aho satria hoe hanahirana ny Fitondrana, tsy hanevateva ny Andrim-panjakana aho, tsy handrehoka amin’ny seza Fitondrana izay kasaiko hipetrahana manaraka aho.
Ny Demokrasia tsy fahaganana tampoka. Any amin’ireny firenena manintona antsika ireny, Amerika, Eoropa, Kanada, nandalo sedra sy taonjato maro rizareo vao tonga amin’ny sehatra misy azy ankehitriny. Sehatra mbola misy madilana ho tetenina hatrany hatrany, fa ezaka iombonana ny fanamasahana azy isanandro : ny mpitondra tsy manafintohina, ny mpanohitra tsy manao amboletra.
Asa izany, ezaka, fifampitaizana.
Par Nasolo Valiavo Andriamihaja