Tato ho ato, toa efa elaela ihany, ireo miantsena dia mahalala fa raharaha ny fitadiavana hen’omby. Izao, heno ny fanambarana hoe hiato any am-potony, izany hoe andrefan’i Tsiroanomandidy, ny fampiakarana omby mankaty Antananarivo.
Hay, hay, hay, hoy ry Mahaleo. Hay moa izany, tsy miompy omby ampy intsony eto ankibon’Imerina : ka rehefa voavadika ho «goudron» sy «lotissements résidentiels» na «zone industrielle» ary «supermarchés» avokoa tokoa moa ve ny ahi-maitso rehetra any Avaradrano, Vakinisisaony, Ambodirano, Marovatana, aiza intsony ny omby no hiraoka ahitra Hay moa izany, homana omby maro dia maro Antananarivo, izay tsy mahalala akory fa, ara-Tantara, izany Zanamazomby izany no nizara ny vohitr’Analamanga tamin’ny Antehiroka, nialoha ny nahatongavan’ Andrianjaka zana-dRalambo, taonjato efatra tany ho any Hay moa izany, tsy voafehin’ny Fanjakana ifotony akory intsony izay fambolena sy fiompiana any amin’ny faritra ka mamoky ny tsaho eto Antananarivo fa vao any Atsimo na mbola etsy Fenoarivo, etsetra, dia efa lasan’ny Sinoa ambongadiny ny omby rehetra
Fa ny Sinoa angaha moa tsy akoho sy kisoa no tena haniny, tahaka ny ankamaroan’ny olona avy any Azia Any Azia Atsimo-Atsinanana, izany hoe Indonezia, Malezia, sy ny manodidina hatrany Filipina, izay mizara amintsika miteny gasy ny teny antsoina hoe «aostroneziana», dia telo no biby fiompy andavanandro : akoho, alika, kisoa. Ny akoholahy mpiady eto amintsika dia kapoka iray amin’ny akoho fampiady any Filipina. Ny alika gasy tena gasy (fa tsy «coton de Tuléar») dia toa mpiray tampo amin’ny alika any Azia. Ny kisoa gasy, very anarana ka heverin’ny Vazaha fa avy amin’ny teniny hoe «cochon» indray, dia mainty hoditra somary madinika, ary izay indrindra no nahalefy azy satria tsy vory nofo hameno lanja tahaka ny kisoa nafarana : toa mbola misy azy any Atsimo-Atsinanan’i Madagasikara, misy milaza ho mbola miompy azy any Vakinimananara faritra amin’ny Avaratr’Imerina, fa indrindra io no kisoa hitanao amin’ny sary any Bali. Hatramin’ny kankan-tsinain-kisoa aza moa no nampivoitra ny tetezana mampitohy an’i Madagasikara sy India ary Azia Atsimo-Atsinanana (jereo «Genetics of the Pig Tapeworm in Madagascar Reveal a History of Human Dispersal and Colonization», nosoratan-dry Tetsuya Yanagida, Jean-François Carod, Yasuhito Sako, Minoru Nakao, Eric P. Hoberg, Akira Ito).
Mbola fizarana Tantara ihany : «jamoka» hono no niantsoana ny omby talohan-dRalambo. Io «lambo» io, amin’ny teny any Indonezia-Malezia, dia tsy inona fa hoe «omby». Heverin’ny mpandalina fa ny lambo no biby mandady lehibe indrindra novantanin’ny Razambe teto Madagasikara ka nomeny ny anaran’ny biby fiompy tany amin’ny tanindrazana vao nilaozana.
Ralambo no nahitana ny omby. Hoy ny Angano. Izy ihany izany no nahitana ny tenany. Teo ry Dama-Ntsoha, izay tsy iza fa Mompera Razafintsalama rehefa niala tamin’ny Jezoita, no nanatsidika fa sao dia «Hindou» ary ny Razambe ka nanasina ny omby
Rehefa tsy hisy intsony ny omby (malahelo ny trafony sahady aho izany), izaho manokana aloha mpihinana kisoa. Ny fadinay, osy. Ry zareo «MPE» (Malagasy Professionnels de l’Élevage, ex-Maison du Petit Élevage) etsy Nanisana dia efa nanome fiofanana manokana momba ny «kisoa gasy» ka tokony hiverina an-tsena indray izany ny «kisoa zanatany». Ny sakafo gasy, efa tafakatra «Salon de la Gastronomie» rahateo, «Soupe Tamatave» nolovaina tamin’ny Sinoa, izay misy «tsiasiou». Mazotoa homana.
Par Nasolo-Valiavo Andriamihaja